Recherche instantanée

Hira Skoto

HIRA SKOTO 

Tsikitsiky ihany

Mahagaga ihany ‘zato fihetsikin-tsika eto antany
Fa mifanaratsy mifanakiana hatrany hatrany
Raha mba miasa dia batiana tsongoloka izany
Koa raha tsy mahatanty dia harary no hiafarany
                     Ref : tsikitsikitsikitski ihany eny tsiky ihany
                             Fiainampifaliana mahaliana ho tena tiana no vokatr’izany
                             Fo Fafalifaly ravo hatrany eny ravo hatrany
                              Ka hisononok’ery ny fiainanao
Raha mba mihomehy, dia lazaina fa be vanivany
Ny maontina anefa dia ambara ho konjo avy hatrany
Raha misariaka dia vavàna ka tena vinany
Ny tsy miteny tena olona miavona hono izany
                         Aza mba kivy amin’izay fanenjehana anao e !
                          Tsy mba kivy amin’izay fanenjehana anao e !
                          Raha sendra ny kiana, eritrereto sao marina izany ô !
                          Ento amin-tsiky, tsiky ihany ny fiainana an-tany ô !
«HAVAN'NY OLONA REHETRA » (faha 90 taona Tily)
1) 90taona nanabeazana
Ny fikambanana Tily Eto Madagasikara
Niezaka nitondra, fanabeazana izay
Tsy manavakavaka satria !
                      Ref : Havan’ny Olona rehetra
                     Ary Mpirahalahy daholo
                     Ny tily eto Madagasikara
                     Mpitondra hafatry ny fandriampahalemana
                     Ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka! ( x2)
2) Marobe ny ratsy, tao ny tsara koa
Niara-nosedraina, izay vao 90 taona
Hialoha ny ratsy, ndao hiezaka
Ka mifikira @tsara Fa …
                    3) Ireo lalàna 10 notoavina
                        Ka nahazoana izao Jobily 90 taona
                        Raiso sy fihino ho filamatra
                        Ka mifikira @tsara fa …
 

Iza no ho namanay


1- Iza no ho namanay (bis)
ref:
hamakivaky rony ala
rony ala feno jala
jala feno tranon’kala
nefa ny andro mamanala
1(tohiny)- Iza no ho namanay
Ho namanay (bis)
Iza no ho namanay
ho namanay (bis)
Iza no ho namanay
2- Izahay andeha koa (bis)
Izahay andeha koa
ref
2 (tohiny)- Izahay andeha koa
Andeha koa(bis)
Izahay andeha koa
Andeha koa(bis)
Izahay andeha koa

Tily handeha hilasy

Tily handeha hilasy ka velon-kira fa hilalao,
miara mientana mantsy ka tsy mba misy mifandao,
na dia alavitra aza ny lalankely mbola ho aleha,
Tily ka tsy mba kivy na avy aza ny oram-be,
Hira Tily manako toy ny lamako tsy mba miato,
Tily andeha hilasy ireo ka falifaly fo.


Tily miara-mamindra ka e! mirindra fa ilalao,
lasy mifindrafindra tsara indrindra no atao.
Ka na dia mideza (aza) ny fiakarana mbola ho aleha,
Tily ka tsy mba kivy na avy aza ny oram-be,
Hira Tily manako toy ny lamako tsy mba miato,
Tily andeha hilasy ireo ka falifaly fo.



Efa reko....


Efa reko hatry ny elabe ny antsonao ry taniko
Ary tsapako tokoa izao 'zany hetahetanao
Fa vonona aho ny hanasoa anao
Ry tany tiako, mamiko !!!
Fa tily aho ka matokia ianao
Ny aiko re no fetrako



Ianao ry ('lay) fiangonako, mila olom-baovao
Feno hery sady vonton'ny fanahy
Ka hijoro tena sahy
Raha asa fitoriana no atao, dia efa vonona aho izao
Fa tily aho ka matokia ianao
Ny aiko re no fetrako


Fiainam-pifalina


fiainam-pifalina ao anaty fitsikana
mampikorina ny andronay
fa hehy lalan-dava sy hira ao am-bava
no mapisava ny sentonay
Tsy tily mantsy dia mirakitra ao anaty
fo haravoana
fo tia dia tia izahao
Ka tsapao fa ny tena itempoany
sy andaniany fotoany
asa soa fifalina fiadanam-po

Na oram-batravatra no mamely tsy miantra
de tsy handratra ny tsikinay
hainandro be mandoro
ao an-dala- mahatoro
tsy hampikoroko ny hehinay
Ny tily mantsy dia mirakitra ao anaty
fo haravona fo tia dia tia
izahao ka tsapao fa ny tena itempoany
sy andaniany fotoany
asa soa fifalian fiadanam-po


Mila aina ianao ry tany


Mila aina ianao ry tany,
Aina miaina toa anao
Aina mety ny ho lany
Ka miteraka hery vao.

Njao mafana re ny rako
Misy hery anatiko ao
Ho Tily aho no miteny
Ka lazao zay hafatrao
ry Madagasikara Nosiko

Apetraho fa ho vitaiko
HATRAMIN'NY FARA-FOFON'AIKO


ILAINA ISE !

Hirao hira vaovao
Miantso anao ny Tanindrazanao
aina fanahy hery vao
enti-miasa ho an'ny taninao

Aza adinoina ireo
Mahantra maro efa trotraka
Fa malagasy izy ireo
miaritra ny fahoriana

Tily izao isi izao
Sahy mijoro tena lehilahy
ka hanolotena indray
Ka hampita ny Tanindrazana

RF : Ilain'ny Tompo Jeso tia ianao
Hitory Fahamarinana
Amboarinao ny lalana alehan'ny
Olona notiaviny .


O! AVIA

He tazanay mitsiky ery ny andro ho avy mankaty
Hiainga izahay hitsen ny ho avinay
Ka velonkira ny fonay
Ka dia tra-la-la herin-tsaina
Fo tena tia no tokin'aina
fandavan-tena notefena
No enti-manompo ny firenena
Ny malagasy manatena
Fiainan-tsambatra omena
Fo tanora anay
o !avia avia mankaty
o! avia ,fa vonona izahay 

7 commentaires:

  1. mafnartr b daol l hir e.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. mihira sy mitsika ny tily ! marina loatra e!!!!
      SORIHY Mandalina 155

      Supprimer
  2. hirao ny fikambanana fa tsara e! ndrindra amzao fankalazana ny faha 90 taona ny tily izao !!!

    RépondreSupprimer
  3. tily indray andro,tily mandrakizay

    RépondreSupprimer
  4. ampio ihany r'se fa mahafinaritra ny toy izao an

    RépondreSupprimer